Tranga samihafa

Lozam-piarakoda Fiara tsy mataho-dalana nandratra mpandeha

Naratra mafy ny olona enina tamin’ireo mpandeha miisa valo ambin’ny folo noentin’ny fiara tsy mataho-dalana iray izay tra-doza tany Andilana Bora-Antsohihy, afak’omaly hariva. Voalazan’ny loharanom-baovao avy any an-toerana fa vokatry ny olana tamin’ny hisatra no nahatonga ny voina.

Teo amin’ny fidinana iray misy fiolahana no nitrangan’ny loza. Nivadibadika ny fiara. Naratra mafy ireo olona enina, ka isan’izany ny mpamily. Noentina any amin’ny hopitaly any Antsohihy izy ireo. Nikasa ho any Bealanana ireo olona ireo, araka ny loharanom-baovao hatrany.

Mandray an-tanana manampy ireo maratra any amin’ ny hopitaly ny tompon’ny fiara.