Sosialy

Fepetran’ny tsena Voakasiky ny fanakatonana amin’ny 12 ora antoandro ny varotra rehetra

Nanahirana ny rehetra ny fanavahana an’ireo tsenampokontany ka mampisahotaka ny olona. Misy ny lamina napetraka amin’ny fanakatonana azy ireny, amin’ny 12 ora antoandro. Nanazava ny minisitry ny Indostria, varotra ary ny asa tanana, Rakotomalala Lantosoa fa ireo mpivarotra rehetra manerana ny tsena, toy ny mpivarotra legioma, voankazo ary ny mpivarotra enta-madinika amin’ny faritra samihafa no voakasik’io fepetra io avokoa.

Efa manaparitaka peta-drindrina mikasika ny ora fanakatonana ny tsenam-pokontany ny mpitandro ny filaminana sy ny minisiteran’ny Indostria, varotra ary ny asa tanana, amin’izao fotoana izao. Isan’ny paikady hahafahana mametra ny fivezivezen’ny olona sy handrindran’ny olona ny fomba fiantsenany izany fepetra izany.