Samihafa

Fahafatesana mpanakanto vahiny Lavon’ny “coronavirus” i Manu Dibango, mpihira ny “Makossa”

Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha enina amby valopolo taonany i Manu Dibango, artista kameroney, fanta-daza tamin’ilay hira “Soul Makossa”. Ny aretina “ coronavirus ” no nahalavo an’ity mpanan-talenta amin’ny fiangalina ny zavamaneno tsofina “saxophone” ity, araka ny vaovao nampitain’ ny fianakaviany tao amin’ny tambajotran-tserasera “Facebook”.

Tamin’ny alarobia 18 marsa no nahafanatarana fa mitondra ny tsimok’aretina “Covid-19” izy, taorian’ny fitiliana natao taminy. Nampidirina hopitaly izy ary izao nindaosin’ny fahafatesana izao.

Nambaran’ny fianakavian’i Manu Dibango fa ny ankohonany ihany no hanao ny fandevenana ny nofo mangatsiakany. Hotontosaina amin’ny fotoana manaraka kosa ny hetsika fanomezam-boninahitra azy.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra