Tranga samihafa

Asan-jiolahy Tokantrano roa voatafika teny Ampanefy-Atsimondrano

Najifan’ny jiolahy miisa dimy nitondra basy ny lelavola mitentina fito tapitrisa ariary mahery tao amin’ny tokantrano roa teny Ankadivory Malaho-Atsimondrano, afak’omaly alina. Tonga teny amin’ilay toerana ny polisy avy eny Ampanefy sy ny zandary avy any Ankadivoribe fa tsy nahatratra ireo jiolahy intsony.

Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy tamin’ity fanafihanjiolahy ity. Basy poleta vita tànana no nentin’ireo jiolahy, hoy ireo mpitandro filaminana araka ny fitantaran’ireo niharamboina. Nitondra antsy maranitra ny sasany tamin’izy ireo.

Nopitsohin’ireo jiolahy ny varavarana tamin’ireo trano ireo. Tsy nanohitra fa nanaiky mora ny hanome ireo lelavola ny tompon-trano. Manao fikarohana ireo jiolahy ny Polisimpirenena eny Ankadivoribe