Raharaham-pirenena

Ady amin’ny kolikoly Mitohy ny fandraisana fitoriana amin’ny aterineto sy ny finday

Nampiato ny fanaterana fitoriana mivantana momba ny kolikoly eny anivon’ireo rantsamangaikany rehetra manerana an’i Madagasikara ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Ny fampiasana finday sy ny aterineto amin’ny alalan’ny “I-toroka” ary ny tambazotran-tserasera no handraisana fitoriana, araka ny fanambaràna navoakan’izy ireo, omaly.

“Azo atao ny miantso an-tariby na ny mandefa hafatra fohy amin’ny finday na hafatra miafina ao amin’ny pejy Facebook-n’ny Bianco raha mahatsikaritra trangana kolikoly isika. Tsy mampiova ny fomba fametrahana fitoriana sy ny fitazomana ho tsiambaratelo ny loharanom-baovao ny fampiasana finday sy aterineto ary tambazotran-tserasera. Mila manana porofo ny mpitory”, hoy ny fanazavandRandriamalala Nirina Zafimaharo, tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny Bianco sampana Antananarivo.

Samy manana laharana finday manokana ho azy sy ny adiresy mailakany, izay afaka jerena ao amin’ny pejy Facebook-n’ny Bianco, ireo rantsamangaika isaky ny faritra ireo.