Fanatanjahantena

Kitra – « Tema Coupe de Madagascar » Nomontsanin’ny Disciples FC 11 noho 1 ny Zandry Gasy FC

Nanomboka, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara amin’ny taranja baolina kitra  na ny « Telma Coupe de Madagascar ». Isan’ny nanamarika an’ireo andro roa nisantatra ny fihaonanana ny lalaon’ny Disciples FC (Analamanga) sy ny Zandry Gasy FC (Amoron’i Mania). Nomontsanin’io klioba avy eto Analamanga tamin’ny isa 11 noho 1 itsy farany, teny amin’ny kianja Carion.

Niharihary ny tsy fitovian’ny haavo teknika teo amin’ny ekipa nampiantrano sy ireo mpilalao avy any Amoron’i Mania. Niezaka niaro ny voninahin’ny kliobany anefa ny Zandry Gasy FC ka nampiditra baolina tokana tao anatin’ny sivy folo minitra nilalaovana.

Lavo kosa ireo klioba roa nandray lalao teny amin’ny kianja Carion, afak’omany. Nisaraka ady sahala 2 sy 2 ny Mi 20 FC (Analamanga) sy ny AS Andry (Bongolava). Niditra tamin’ny fandakana penalty ny lalao ka nampiditra baolina dimy ny ekipan’ny Bongolava raha toa ka efatra ny an-dry zareo nampiantrano. Resin’ny Vas Y Boaikely (Matsiatra Ambony) tamin’ny isa 1 noho 0 ihany koa ny Le Relève (Analamanga).