Fanatanjahantena

Haiady Judo – La Réunion Nandrombaka medaly iraika ambin’ny folo ireo Malagasy

Tsy nitsanga-menatra ireo mpikatroka malagasy tany amin’ny fifaninanana judo « Open International de La Réunion », tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo.  Medaly iraika ambin’ny folo no azon’ny ekipam-pirenena malagasy tamin’ny alalan’ireo mpikatroka telo ambin’ny folo mianadahy.

Niambozona medaly volamena i Tacha (latsaky ny 48 kg), Idealisoa (latsaky ny 52 kg), Naomi (latsaky ny 57kg), Rayan (latsaky ny 73kg) ary Boost (latsaky ny 82kg).

Nandrombaka medaly volafotsy kosa i Laura (latsaky ny 63kg) sy Sambatra (latsaky ny 48kg). Medaly alimo indray no azon’i Miangaly sy Samantha (latsaky ny 52kg) ary Kiliian (latsaky ny 60kg).

Higadona eto an-tanindrazana ny delegasiona malagasy, amin’ny alakamisy ho avy izao. Hiatrika fiofanana ireo mpikatroka ao anatin’ny telo andro.