Fanatanjahantena

Baolina lavalava Hohavaozina ny kianja Makis Andohantapenaka

Isan’ny nampiasa ny kianjaben’i Mahamasina ny Malagasy Rugby  rehefa mandray lalao iraisam-pirenena i Madagasikara. Hampiantrano ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indiana amin’ny taranja baolina lavalava ho an’ny sokajy latsaky ny 16 sy 18 taona na ny AROI, amin’ny 28 sy 29 febroary 2020, i Madagasikara.

Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny fihaonana ny Malagasy Rugby, amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin’izany ny fanavaozana ny kianja Makis Andohantapenaka izay handraisana ireo lalao.

“Amboarina ny bozaka filalaovana. Hohatsaraina ihany koa ny toerana ho an’ireo mpijery sy ny kianja iray manontolo”, hoy  Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby.

Notokanana tamin’ny 15 desambra 2012 io kianja io ary vao namboarina ny bozaka filalaovana, tamin’ny volana novambra lasa teo.

Nanamafy Randrianorosoa Antsoniandro, tale teknika nasionalin’ny Malagasy Rugby,  fa “manana ny fenitra iraisam-pirenena ny kianja eny Andohantapenaka kanefa mila ampiana ny toerana fivoahana sy ny fisoloana akanjo”.

“Tsy handray lalao ny kianja Makis mandra-pahatonga an’io fifaninanana ho an’ny firenena eto amin’ny ranomasimbe Indiana io”, hoy hatrany iry filohan’ny Malagasy Rugby iry.

Io kianja havaozina io no handray ny  fiadiana ny amboaran’i Afrika eo amin’ny sokajy lehilahy latsaky ny 20 taona sy ny lalaom-bondrona eo amin’ny ekipam-pirenena malagasy na ny Makis ho an’ny lehilahy sokajy “sénior” i Madagasikara, ankoatra ny fifaninanana ho an’ireo firenena mpikambana ao amin’ny AROI.

Hotanterahina eto Madagasikara ihany koa ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny sokajy latsaky ny 20 taona, amin’ny 10 ka hatramin’ny 19 avrily 2020. Ekipa valo no mandray anjara amin’ny fifaninanana ka ao amin’ny vondrona A no misy ny Makis, miaraka amin’i Zamibia, Tonizia ary Kenya. Ao amin’ny vondrona B kosa no ahitana an’i Namibia, Sénégal, Zimbaboe ary Côte d’Ivoire.