Tranga samihafa

AHIAHINA VONO OLONA Lehilahy frantsay nalevina tany an-tsisin-dranomasina

Novonoina, avy eo nalevina teny an-tsisin-dranomasina, tany Toamasina, ny lehilahy iray, 69 taona, teratany frantsay. Afak’omaly no nahitana ny razana. Efa tamin’ny herinandro lasa teo kosa no fantatra fa nahitana azy velona farany. Efa misy ny olona nosamborina voa-rohirohy amin’izao vono olona izao, hoy ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Tratra ihany koa ny fitaovana nampiasain’ireo namono.

Nambaran’ny loha-ranom-baovao avy amin’ny olona akaiky azy fa avy any La Réunion ity teratany vahiny namoy ny ainy ity. Tamin’ny talata lasa teo no nahatongavany tany Toamasina. Heno fa niala tao an-tranony niaraka tamin’ ny môtô izy, ny alarobia. Tsy hita izy, taorian’izay, hany ka nanaovana fikarohana tao amin’ny tambajotra « facebook ». Etsy an-daniny, nampandre ny mpitandro ny filaminana ny olona akaiky azy. Nandeha ny fikarohana sy ny fanadihadiana rehetra. «Nokendaina no nahafaty an’ilay teratany vahiny. Fifamaliana sy resaka vehivavy no nahatonga ny fanaperana ny ainy, araka ny valin’ny fanadihadiana nataonay», hoy ny mpanao famotorana amin’ity tranga ity.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra