Tranga samihafa

Voina teny an-dalana Lehilahy namoy ny ainy tamin’ny andrin-jiro

Hita faty nitsirara teo amin’ny lalana nisy tariby avy tamina andrin-jiro nianjera tany Ambohimandroso Antanifotsy ny lehilahy iray, efatra amby roapolo taona, omaly maraina. Voalaza fa main’ny herinaratra avy tamin’io tariby lehibe io izy. Nisy may ny vatan’ilay lehilahy.

Tsy fantatra, na afak’omaly hariva na ny alina, no nam­pi­anjera ny andrin-jiro hazo iray mpitondra herinaratra matanjaka. Nisy orana sy rivotra tany an-toerana, ka izany no heverina ho nampianjera azy. Efa motraka rahateo ny hazo. Nitsivalana teo an-tanimboly ny andrin-jiro. Latsaka tamin’ny tany ny tariby. Niainga maraina avy tany an-tranony ny lehilahy iray nitondra bisikileta niaraka tamina bidao nisy ronono. Tsy nisy nahita ny nahazo azy fa olona nandalo no nampandre haingana ny fokonolona. «Tsy fantatra na mety ho tsy nahita na tsy nahatsikaritra ny fisian’ny tariby teo amin’ny lalana ilay lehilahy. Voasaringotra teo ny bisikiletany. Voakasiky ny tariby ny tongony hava­nana. May izy, avy eo», araka ny nambaran’ ny mpanao fa­­motorana.Tamin’ny valo ora maraina no naheno ny fisian’ity tranga mampalahelo ity ny zandary, tao Ambohimandroso. Niaraka tamin’izy ireo nidina teny an-toerana ny ben’ny tanàna sy ny solombavambahoaka ary mpitsabo iray. «Nisy olona iray nanatona anay nilaza fa naratra may teo amin’ io tariby io ihany koa, rehefa nody alina. Noentina namonjy mpitsabo avy hatrany izy. Notapahana ny jiro taty an-toerana taorian’ny fahitana an’io loza io », hoy ihany ny zandary.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao