Sosialy Tapatapany

Toby fiantsonana Maki

Niitatra ny raharaha. Hiala tsy hitantana ny toeram-piantsonan’ny taksiborosy “Gare routière Maki”, Andohan-tapenaka, intsony Rakotoarisoa Alain, tompon’ny kaoperativa Cotisse. Araka ny vaovao voaray, nametraka taratasy fangatahana fanafoanana ny fifanarahana tamin’ny fanjakana teny anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro na MTM ity farany, ny 17 oktobra lasa teo. Noho ny disadisa mikasika ny tanim-panjakana izay sahanin’ny minisiteran’ny Asa vaventy sy ny fotodrafitrasa na MTP ao anatin’ity toeram-piantsonana ity no anton’ny fametraham-pialany.