Tapatapany Tranga samihafa

Tobim-pamaharana

Vita tany Bekapaika any Tsaratanàna ny fametrahana ny vato fototry ny tobim-pamaharana na “Base opérationnelle avancée” an’ny Tafika malagasy, omaly. Nametraka izany tany an-toerana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Léon Richard. Nisy koa ny fanolorana fitaovana an’ireo miaramila mpampandry tany ao amin’ny faritra Betsiboka tany Maevatanàna.