Tapatapany Tranga samihafa

Malagasy voafonja

Mitaraina ny havan’ireo teratany malagasy am-polony maro voalaza fa voatazona am-ponja any amin’ny nosy Kaomôro. Milaza ho tsy mahalala ny anton’ny fitazonana izy ireo ka manao antso amin’ny mpitondra malagasy hijery akaiky an’ity tranga ity. Manana taratasy ara-dalàna anefa ireo Malagasy ireo, araka ny voalazan’ireo havany ihany.