Tranga samihafa

Lozam-piarakodia Naratra ny zandary iray sy olona efatra tokony hiakatra Fitsarana

Tra-doza ny kamiao iray nitondra ireo olona hatolotra ny Fitsarana any Iharana, afak’omaly. Naratra ny zandary iray sy ireo olona efatra voampanga. Nokasaina hoentina any Antalaha ireo olona avy natao famotorana tany amin’ny zandarimaria ireo saingy izao niharan-doza izao. Nalefa notsaboina any amin’ny hôpitalin’Antalaha izy ireo rehefa nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny lehiben’ny Fampanoavana.

Tao amin’ny toerana antsoina hoe Ambodivohitra-Ampisarahana ao anatin’ny kaominina Andrafainkona-Iharana no nitranga’io lozam-piarakodia io. Ahiana ho vokatry ny olana teknika nihatra tamin’ny kamiao nitondra ireo olona nahatonga an’ity loza ity. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ireo olona fito tao anaty fiara.