Fanatanjahantena

Lalao afrikana any Maraoka Aotra ny vokatra medaly ho an’ny delegasiona Malagasy

Mbola aotra ny isan’ny medaly azon’ny delegasiona Malagasy, izay mandray anjara amin’ireo taranja samihafa amin’ny lalao Afrikana atao any Rabà any Maraoka, amin’izao fotoana izao. Taranja miisa iraika ambin’ny folo: atletisma, fibatana fonjamby, basketball ho an’ny olona telo, sabatra, haiady judo, tolona, ady totohondry, haiady taekwondo sy karate, tenisy ambony latabatra, ary tenisy, no andraisan’ireo solontenantsika anjara, nefa tsy mbola nisy niambozona medaly, hatramin’ny omaly.

Andro dimy izao no nilalaovana, nanomboka tamin’ny 16 aogositra lasa teo. Antenaina ny handrombahana fandresena ho an’ireo atleta malagasy amin’ny taranja fibatana fonjamby, izay hiditra an-tsehatra rahampitso. Efa nisongadina tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy tany amin’ny Lalaon’ny Nosy farany teo mantsy ry Radafiarison Rosina sy Andriatsitohaina mirahalahy, mpibata fonjamby malagasy.

Sendra Rabearimanana