Raharaham-pirenena Tapatapany

Fitantananam-bola

Hisokatra amin’ny 23 septambra ka hatramin’ny 27 septambra ho avy izao any Pretoria (Afrika Atsimo) ny fampiofanana momba ny fanatsarana ny fitantanam-bola sy ny fiatraikan’ny fahaiza-mitantana eo amin’ny lafiny tetibola. Hisolo tena ny fanjakana malagasy amin’izany ny minisitry ny Vola sy ny Tetibola ka tanjona kendrena ny hahafahana mahazo traikefa mba hoentina manatsara ny fomba fitantanana ny volam-panjakana sy hisian’ny vokatra mivaingana amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina.