Fanatanjahantena

Baolina lavalava – Lalao sakana Tsara filaharana ny STM sy ny USCAR

Andro telo no tontosa amin’ny lalao sakana amin’ny fiakarana amin’ny fifaninanam-pirenena­ taranja baolina lavalava na ny Top 20 atrehin’ireo ekipa efatra amby roapolo. Klioba roa isaky ny vondrona enina no ho tafakatra. Tsara toerana, hatreto, ireo mpilalaon’ny STM ao amin’ny vondrona E sy ny klioba Uscar ao amin’ny vondrona F. Mitarika ny vondrona misy azy avy izy ireo, taorian’ny fandresena nandritra ny fihaonana roa nataony. 

Hitohy eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahefatra amin’ireo lalao sakana ireo. Hanokatra ny fotoana ny fihaonan’ny 3F5 (Amboditsiry) sy ny UIRC (Fivondronana). Hanaraka, avy eo, ny fifandonan’ireo mpilalaon’ny Hiza 17 sy ny Cnaps (Matsiatra Ambony). Hitohy amin’ny alahady ireo lalao sakana amin’ny alalan’ny fifandonan’ny AF Ankazomanga sy ny FBM (Bemasoandro). Hiatrika ny UASC (Cheminot) kosa ny Mang’art (Manjakaray). Hihaona amin’ny TAM (anosibe) ny AS Ambohimanarina. Hamarana ny andro ny lalaon’ny FTM (Ankasina) sy ny XV Avenir (Andohatapenaka).

Hisy lalao sakana ihany koa any Toamasina, amin’ny alahady ho avy izao. Hiatrika ny FTB Andohatapenaka ireo mpilalaon’Atsinanana Rugby.

Sendra R.