Fanatanjahantena

Baolina Kitra – Federasiona Hangarahara ny fifidianana filohan’ny FMF

Hotontosaina, anio, ao amin’ny hotely Dunes any Ifaty (Toliara) ny fifidianana ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ireo mpikambana ao amin’ny komity mpanatanteraka. Nampanantena ny komity ho an’ny famerenana amin’ny laoniny ny Federasiona (CDN), fa hatao ao anatin’ny mangarahara ny latsa-bato, anio. Hivoaka avy hatrany aorian’izany ny vokatra, na dia mbola ho vonjimaika aza. Miandry ny vaomieran’ny fitsarana ny fifidianana ny fampahafantarana ny voka-pifidianana ofisialy.

« Vonona ireo ligy roa amby roapolo hifidy, rahampitso (ndlr: anio). Ny lalànan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra no hampiharina amin’ny fifidianana », hoy Rasolofomanana Eddy, sekretera jeneralin’ny CDN. Nametraka fepetra ihany koa ny komity mba hampandeha ny fifidianana amin’ny tokony ho izy, toy ny fisian’ny zandary miaro an’ireo filohan’ny ligy any amin’ny trano fandriam-bahiny itoeran’izy ireo.

Sendra R.