Raharaham-pirenena Tapatapany

Antson’ny FFM

Namoaka fanambarana tamin’ny tambajotran-tserasera ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy (FFM), omaly, mikasika ny tokony hitonian’ny rehetra manoloana ny fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny sata mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra eto Madagasikara. Miantso ny fanajana ny lalàna sady manasongadina ny maha zava-dehibe ny mpanohitra ho toy ny arofanina amin’ny mety ho fihoaram-pefy hataon’ireo mpitondra izy ireo.