Samihafa

Fandrobana vahiny Frantsay maty nokendain’ny jiolahy

Hita nitsirara teo amin’ny tany, tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny nitoerany, ny vatana mangatsiakan’i Weber Gérard Jean Paul, teratany frantsay 68 taona, tamin’ny faran’ny herinandro teo, tany Antanimitarana-Nosy Be. Nokendaina tamin’ny lambam-baravarana ity niharam-boina.

Tsy nahalala na inona na inona ny vadiny natory tao amin’ny trano kely na “bungalow”, tokony ho roapolo metatra miala ny tranon’izy ireo. “Tamin’ny 9 ora alina no nitrangan’ity fanafihana ity. Tsy fantatra izay nahavanondoza. Ny lehilahy mpikarakara ny zaridaina no nahita ny mpampiasa azy nitsirara tamin’ny tany. Niantso mpitandro filaminana izy taorian’izay. Fahitalavitra iray, solosaina iray, finday telo, fanalahidin’ny trano sy fiara ary karatra elektronika fakàna vola any amin’ny banky no fantatra fa very”, hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny Zandarimaria any Dzamanjar-Nosy Be.