Raharaham-pirenena

Fananganana ny « Tanà-Masoandro” eny Ambohitrimanjaka Tsy hanomboka ny tetikasa raha tsy vita ny fifanarahana amin’ireo mponina

« Tsy misy tany azo totofana eto na iray dia aza raha tsy misy ny fifampidinihana ary vita tanteraka ny fifanarahana ». Io fehezan-teny io no nampitain’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ireo mponina eny Ambohitrimanjaka.

Taorian’ny fanoherana ny fananganana an’ilay tanàn-dehibe « Tanà-masoandro », nataon’ireo mponina, dia nidina teny ifotony nihaona sy nihaino ny hetaheta ary ny soson-kevitr’izy ireo tao amin’ny tranompokonolona tao Ambohitrimanjaka ireo solontenan’ny Fiadidiana ny repoblika, omaly.

Nafampana ny adihevitra. Tsy nitsitsy fitenenana nanoloana ny iraky ny Filoham-pirenena ireo solontenan’ny mponina, teny an-toerana. Tontosa tao anatin’ny filaminana ihany anefa izany rehefa nampahafantarin’ny talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny repoblika, Rakotomanga Rinah, tao anatin’ity fihaonana ity fa: «tsy hisy fotodrafitrasa hatsangana mihitsy aloha eny Ambohitrimanjaka raha tsy efa voalamina sy hifanekena ny pitsipitsony rehetra manodidina an’izany”.

Nifototra tamin’ny fiarovana ny asa fivelomany ny tohan-kevitr’ireo mponina manohitra an’ity tetikasa ity. “Ho very ny fidiram-bolanay raha totofana ny tanimbarinay. Tokony hatsahatra sy hafindra toeran-kafa ny fanorenana an’ireo tranobe ireo”, hoy ny ankamaroan’ny solontenan’ireo mponina. Nisy ireo nanolo-kevitra avy hatrany ny amin’ny tokony hanorenana ny “Tanà-masoandro” eny amin’ny toerana avaratr’ Ampangabe, tsy dia lavitra an’Ambohitrimanjaka. Tsy nampihemotra an’ireo solontenan’ny Filoham-pirenena anefa izany ka nanambaran’izy ireo fa tanjona amin’izao fifanatonana izao ny hitadiavana marimaritra iraisana hahafahana miroso am-pilaminana hananganana an’io tanàn-dehibe io.

Tsy nisy dinika mialoha

« Tsy misy afa-tsy ny fifanakalozan-kevitra no hamahana ny olana. Hisy ny tatitra hataonay amin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, mikasika ny fifampidinihana sy ny soson-kevitra avy amin’ireo mponina ireo », hoy Ramaholimasy Pierre Houlder, tale misahana ny raharaha politika eo anivon’ny Fiadidiana ny repoblika.

Niaiky ireto tanan-kavanan’ny Filoham-pirenena ireto fa tsy ampy ny fampitam-baovao sy ny fifandresen-dahatra mialoha manodidina ny fanatontosana an’io fotodrafitrasa goavana io. Nanome toky ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanorenana ny “Tanà-masoandro” ao amin’ny Fiadidiana ny repoblika, Andriamanohisoa Gérard fa: “tsy maintsy hojerena manokana ireo olona voakasiky ny tetikasa”. “Misokatra amin’ny fifampiresahana ny Filoham-pirenena. Hojerena ny tombontsoan’ny mponina”, hoy izy raha nivahiny tao amin’ny onjam-peon’ny “Antsiva”, omaly.

Mbola hiankina manontolo amin’ny fifandresen-dahatra eo amin’ny Fiadidiana ny repoblika sy ireo mponina tompon-tany eny an-toerana, araka izany, ny ho avin’ilay tetikasa. “Tsy hisy ny fe-potoana voafaritra hamitana an’izany fa ho hita eo izay fotoana handravonana ny raharaha”, hoy hatrany Ramaholimasy Pierre Houlder. Isan’ireo tonga teny an-toerana nanamafy ny tenin’ny Filoham-pirenena koa ny tale misahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, Randriamananoro Augustin.