Raharaham-pirenena Tapatapany

Tombana ara-bola

Nanatanteraka fivoriana nandinihana ny firosoan’ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka vahiny amin’i Madagasikara, omaly. Noresahina nandritra izany ny fanaovana tatitra momba an’ireo fanampiana ara-bola efa nomena ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) hatramin’izao fotoana fisasahan’ny fampielezan-kevitra izao. Mbola tsy ampy 5 tapitrisa dôlara io teti-bola io.