Sosialy Tapatapany

Fiofanan’ny sefo Zap

Miatrika fiofanana ny sefo Zap any amin’ny Faritra Sava. Tonga tany an-toerana, omaly ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Horace Gatien, nanokatra tamin’ny fomba ôfisialy ny fiofanana ity. Lafin-javatra roa no anton’ity fampiofanana ity, raha ny fanazavan’ny minisitra. Miompana amin’ny fitantanana amin’ny ankapobeny, ny voalohany, satria mifandray mivantana amin’ny minisitera izy ireo. Fiofanana ara-pedagojia, kosa ny faharoa satria izy ireo no manotrona ny mpampianatra amin’ny faritra izay iadidiany, ka mpitantsoroka voalohany ary mifandray mivantana amin’ireo mpampianatra any ifotony. Tanjona ny hisian’ny fiantraikan’ity fiofanana ity ho an’ny fanabeazana ireo zaza malagasy.