Niampy iray indray ireo fitoriana roa mifototra amin’ny fanoherana ny fanatanterahana ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra 2020. Tafapetraka teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC), afak’omaly, ny fitoriana fanintelony nataon’ny komity fanabeazana olom-pirenena mpanara-maso ny fifidianana (KMF/CNOE), izay mitaky ny fanafoanana ny didim-panjakana miantso ny mpifidy vaventy handatsa-bato amin’io fifidianana io.
Loholona enina ambin’ ny folo no nanasonia ny fitoriana naterina etsy Ambohidahy, izay mitondra ny anaran’ny loholona Thierry Raveloson, tany am-boalohany. Nanaraka azy ireo ihany koa ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, talohan’ izao hetsiky ny KMF/Cnoe izao.
Ny tsy fahafenoan’ireo mpifidy vaventy handray anjara amin’io fifidianana io no tohan-kevitra nandrafetan’ny telo tonta an’ireo fitoriany. Tsy mitombina amin’ireo antoko politika mpiara-dia amin’ny fitondrana kosa izany fomba fijerin’ireo mpanohitra izany.
Valy bontana
« Tsy ara-dalàna ny nahalany an’ireo loholona amperinasa, raha io fitakiana lavareny ataon’izy ireo io no dinihina », hoy ny depiote Lanto Rakotomanga, avy amin’ny antoko politika Tanora malaGasy Vonona (TGV), satria natao tao anatin’ny vanim-potoana tsy nahafeno tanteraka an’ireo sokajiana ho mpifidy vaventy ihany koa ny fifidianana azy ireo.
Efa ho telo herinandro kosa izao no tonga teny amin’ny HCC ny fitoriana voalohany saingy tsy mbola nisy valiny avokoa ireo fitoriana ireo, hatramin’ny omaly. Nadia tojo fanakianana mafy avy tamin’ireo vondrona parlemantera mpanohitra aza ny HCC, dia tsy niraika tamin’izany mihitsy, hatreto. « Azy ireo izany », hoy hatrany i Jean Eric Rakotoarisoa, filohan’ity andrim-panjakana ity.
Hanome hevitra