Kolontsaina Tapatapany

Lalao ho an’ny ankizy

Manomana atrikasa ho an’ny ankizy ny etsy amin’ny Cafétulat Soanierana Ankadimbahoaka, anio. Ampianarina ny ankizy hahay hikaroka sy hanabevoho sahady ny fitiavana ny kanto ao aminy ity hetsika ity. Ankizy 8 hatramin’ny 15 taona no voakasik’izany. Omena fanofanana momba ny fampandrosoana lovain-jafy ihany koa izy ireo, ankoatra ny kolontsaina. Sary, hairaha arak’endrika amam-bika, fanodinana fako, famakiana boky sy fanoratana, teatra ary lalaon-tsaina samihafa no handravaka ny tontolo andro.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra