Raharaham-pirenena Tapatapany

Filatsahan-kofidiana

Nanampahafantatra ny haha kandidà azy amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny Praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo, teny amin’ny trano fonenany teny Ivato, omaly. Nolazainy fa isan’ny antony nandraisana an’izao fanapahan- kevitra izao ny fahitany fa misedra olana ny firenena, ka mihevitra ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanarenana izany ny tenany.