Bao tsy mivily Raharaham-pirenena

Fety hilaminana

Tsy sanatria mamoha fota-mandry fa namela dindo ratsy eto amin’ny firenena ny nanamarihana ny 26 jona 2016. Hifalifaly hialana amin’ny ngirifirin’ny fiainana no namonjena ny lanonana nafanain’ireo mpanakanto malaza tamin’izany teo Mahamasina, saingy tahotra sy horohoro no noentina nody. Vao mainka nanampy trotraka ny
adim-piainana mahazatra andavanandro izany. Nisy mihitsy ny aina nafoy sy naratra tamin’ny fipoahan’ilay baomba nandritra ny fampisehoana. Vato efa nanafintohina anefa ny tahaka ireny, ka antenaina fa tsy hiseho intsony. Ny fandraràna ny tsipoapoaka tsy ho azo holalaovina aloha dia efa fandraisana andraikitra goavana. Ankoatra izany anefa, dia tena andrasan’ny Malagasy fatratra ny hivahan’ny olana politika tanteraka, ka ho 26 jona lavitry ny olana sy krizy no hitranga amin’ny talata. Indrindra ny aorian’ izay, mba hilatsaka amin’ireo mpampianatra ny Fanahy Masina, ka hilefitra amin’ny hambom-pony izy ireo aloha, ary hiverina handray ireo kilongakely indray. Volan’ny ankizy koa anefa no hitsahantsika ity, ka mendrika koa raha atao mahita rirany amin’izay izy ireo. Ny rariny diso itompoana koa anie, hono, leiretsy mody
heloka e!