Raharaham-pirenena

FANKALAZANA NY FETIM-PIRENENA Hozarazarain’ny loko politikany ireo samy Filoha sy ireo minisitra

Samy haka ho azy. Hiharihary amin’ny fanka- lazana ny fetim-pirenena amin’ny talata 26 jona indray ny fisamatsamahan’ ireo antoko politika tafara- dia ao anatin’ny fitondram- panjakana, amin’izao fotoana izao. Mety tsy ho isan’ireo hanatrika ny matso etsy Mahamasina, ohatra, ireo Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Ny amiraly Didier Ratsiraka ihany no fantatra fa hanotrona ny matson’ny Foloalindahy miaraka amin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.

Efa natao nanakoako tetsy amin’ny kianja etsy Analakely sahady fa hisy ny hetsika manokana hotanterahin’ireo depiote eo anivon’ny antoko Tim, mandritra ny andron’ny 26 jona. Hisy ny kabary hifandimbiasan’izy ireo mandritra io andro io. Mikasika ny lanonam-panjakana eny Iavoloha indray anefa dia voalaza fa mety ho isan’ireo hanatrika izany ireo minisitra eo anivon’ny governemanta, izay ahitana an’ireo hery politika samihafa eto amintsika. Tsy miova fa hanodidina ny dimanjato sy arivo ny isan’ireo vahiny nasaina hanatrika izany.