Tranga samihafa

Halatra Tompona môtô voapoizina iaorta

Rava ny tambajotran’ny mpangalatra sy mpanadio môtô halatra any Ambohimanarivo-Manjakandriana.  Vehivavy iray no voasambotra izay voalaza fa nanapoizina lehilahy nitondra môtô, tany an-toerana, tamin’ny 18 mey lasa teo. Voasambotra tany Talata Volonondry io vehivavy io.

« Nanofa môtô tany Ambohimanarivo ny vehivay iray nilaza fa hamonjy fahoriana any Talata Volonondry. Rehefa tonga tany Ambohimanarivo izy ireo dia nomen’izy ireo iaorta ny mpamily môtô ka nalemy tsy nahatsiaro avy hatrany sady nitsirara tamin’ny tany. Nentina notsaboina tany amin’ny hopitaly izy », araka ny fitantaran’ireo zandary nanao famotorana.

Taorian’ny fahatsiarovany saina no niaingan’ny fanadihadiana rehetra sady nahafahana nisambotra an’ireo mpikambana tao anatin’ity tambajotrana mpanao ratsy ity.