Tranga samihafa

Fiompiana biby voarara Sokatra an-jatony tra-tehaka tao an-tranona Karàna

Nanaovan’ny zandary eny Ankadikely fisavana ny tranona Karàna iray ao Manazary-Ankadikely, afak’omaly. Tra-tehaka tao ny sokatra miisa efapolo amby zato. Tsy tao ny tompon-trano fa mpiambina no voasambotra. Nalain’ny Foibem-pitondrana misahana ny rano sy ny ala ireo biby.

« Nahazo angom-baovao momba ny fisian’ireo sokatra ireo izahay, andro vitsy lasa izay. Azo antoka ny fitazonana an’ireo biby tao amin’ny trano iray eny Manazary rehefa nandeha ny fanadihadiana. Nahazoana alalana tany amin’ny Fitsarana ny fisavana an’ilay trano, taorian’izay. Nanomboka tamin’ny 6 ora maraina ny fisavana ny tanàna. Hita tao ireo biby. Tsy tao ny tompony. Lehilahy iray no tavela tao, izay nilaza fa mpiambina fotsiny fa Karàna no tompon’ny toerana sy ireo biby ireo », hoy ny avy amin’ny Zandarimaria eny Ankadikely, omaly.

Voalaza fa eo ampikarohana an’io Karàna, voatondro ho tompon’ireo biby ireo, io ny mpitandro filaminana, amin’izao fotoana izao.