Tranga samihafa

Fanaovana hosoka Sarona ny vola sandoka roa alina ariary marobe

Nahatrarana vola sandoka roa alina ariary miisa iraika amby dimampolo ny lehilahy efatra voasambotry ny polisy, tany Marofantsy Farafangana, tamin’ny herinandro lasa teo. Roa alina sy iray tapitrisa ariary ny fitambaran’ireo vola tsy tena izy ireo.

Natolotra ny Fampanoavana ireto voarohirohy, afak’ omaly. Nogadraina ny telo lahy raha nahazo fahafahana vonjimaika ny iray ambiny.

Maromaro ny vola sandoka niparitaka tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Nanokatra fanadihadiana manoloana izany ny polisy any an-toerana. Tra-tehaka ny tambajotra iray misy andian-dehilahy mpanao an’io fandikan-dalàna io. Nosavaina ny tranon’izy ireo ka mbola nahitana vola sandoka maromaro. Fantatra fa ny iray amin’izy efa-dahy voasambotra no mpanome ireo vola ireo. Manaparitaka izany kosa ny telo ka mahazo tambiny 30 000 ariary rehefa mahaparitaka vola sandoka 100 000 ariary.