Raharaham-pirenena

Famatsiana Mangataka fampidinana ny vidin-tsolika ireo loholona

Sambany indray ny fisian’ny feo ofisialy manakiana ny politikan’ny famerana vidin-tsolika eto Madagasikara, na dia tsy mitsahamidina aza ny saran’io vokatra stratejika io eo amin’ny tsena iraisam-pirenena vokatry ny krizy ara-pahasalamana. Notairin-dry zareo etsy amin’ny Antenimierandoholona ny governemanta sy ny Ofisy malagasy misahana ny solika (OMH) mba hijery vahaolana momba ny vidin-tsolika.

Fanta-daza teo amin’io sehatra io rahateo Rakotozafy Martin, loholona, izay nisolo vava an’ireo namany tetsy Anosikely, izay nampahatsiahy fa: « efa ho herintaona izao tsy nisy fidinana intsony ny vidin-tsolika eto Madagasikara.  Nolazain’ny fanjakana, hoy izy, fa ny vidiny tena izy no ampiharina eto amintsika. Nitotongana hatrany anefa ny vidin’ny barila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena saingy ny eto amintsika tsy miova mihitsy, hatramin’ izao ».

Nanazava, tamin’ny alalan’ny antso an-tariby natao taminy kosa, ny tale jeneralin’ny OMH, Jean Baptiste Olivier, omaly, fa: « tsy afaka handray fanapahan-kevitra samirery momba ny fampidinana ny vidin-tsolika izahay fa tsy maintsy iaraha-midinika amin’ny governemanta sy ireo kaompanian-tsolika ». Nampiany aza ny fiverenan’ny vidin-tsolika tsikelikely amin’ny tsena iraisampirenena toy ny teo aloha.