Raharaham-pirenena Tapatapany

Fivoriana maika

Hiverina an-dapa ka hanatanteraka asam-baomiera, anio, ireo solombavambahoaka etsy Tsimbazaza mba handinika ny volavolan-dalàna laharana 015/2017 tamin’ny 13 jona 2017 ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna. Ny alatsinainy ho avy izao, mbola ao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimierampirenana hatrany, no heverina handaniana izany mandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro hatrehina. Amin’ny alarobia sy alakamisy kosa no handinihana sy handaniana ny volavolan-dalàna laharana 054/2017 tamin’ny 28 desambra 2017 momba ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana, mialoha ny hifaranan’ny fivoriana, amin’ny zoma 28 desambra 2018.