Raharaham-pirenena Tapatapany

Ticad andiany faha 7

Handray anjara amin’ny Fivoriambe iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny kaontinanta Afrikanina (Ticad) andiany faha 7 ny firenena malagasy. Amin’ny 28 aogositra ka hatramin’ny 30 aogositra ho avy izao no hiaraka hikaon-doha any Tokyo (Japana), ireo Filoham-pirenena afrikanina maromaro ka anisan’ireo handray anjara amin’izany ny Filoha malagasy Rajoelina Andry. Araka ny fantatra dia ny sehatra ara-pahasalamana no hifampizarana traikefa mandritra ireo andro ireo ka amin’izany koa no hanolorana ny mari-pankasitrahana « Hideyo », izay homena ho an’ireo mpitsabo afrikanina nahavita fikarohana hoentina manatsara ny seha-pitsaboana eto Afrika.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra