Samihafa

Fikoloana bika aman’endrika Miha mahazo vahana ny fampiasana savony vita amin’ny saribao

Efa nampiasain’ny Japoney, ireo Aziatika sy ny Grika ary ny Ejipsiana tamin’ny fahagolan-tany ny vovoka saribao hikolokoloana ny fahasalamana amin’ny ankapobeny. Efa fantatry ny rehetra ny fanafody “charbon” hoentina mitsabo ny aretin-kibo. Amin’izao fotoana izao, miverina mahazo vahana ny fampiasana izany eo amin’ny fikojakojana ny bika aman’endrika eto amintsika.

“Savony vita amin’ny saribao no ampiasaiko. Hatramin’izay nampiasako azy dia tsikaritro niala avokoa ireo pentina teny amin’ny tarehiko. Amin’ny voalohany ihany no somary mibahana ao an-tsaina ny hoe maloto. Afaka ho azy ny ahiahy rehefa hita ny vokany”, hoy i Salohy Ravelomanana, mpampiasa savony vita amin’ny saribao.

Tamin’ny vokatry ny fikarohana farany, sady manatsara ny hoditra no manala ihany koa ireo tasy sy mony amin’ny endrika itony karazan-tsavony itony.

«Azo avy amin’ny fomba manokana, ny fandoroana ireo zava-maniry amin’ny toerana tsy misy oksizena amin’ny maripana ambony mba hahazoana vovoka tsy mifangaro, ny saribao resahana eto», araka ny fanamarihan’ny dokotera Nina Roos, manam-pahaizana manokana momba ny aretin-koditra ao Paris, tamin’ny tranonkala iray. «Io vovoka saribao azo avy amin’ny zava-maniry io dia tena afaka miady amin’ireo otrikaretina samihafa», hoy ihany izy. Efa nahazatra hatramin’izay ihany koa ny fampiasana ny saribao amin’ny famotsiana nify.

Afaka manatsara ny hoditra ny savony vita amin’ny saribao, noho izy manana ireo singa afaka manala ireo tasy sy ny mony, ireo hoditra efa maty ary ireo teboka mainty amin’ny hoditra. «Mampihena ny fisian’ireo fivontosana madinika toy ny mony ny fialan’ireo bakteria sy ny loto amin’ny hoditra vokatry ny fampiasana ny savony vita amin’ny saribao », hoy hatrany ny fanazavany.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra