Raharaham-pirenena

Fanohizan-draharaha eny amin’ny kaominina Mety ireo lefiny no handray ny toeran’ireo Ben’ny tanàna

Naka ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana (Hcc) ny Praiminisitra Ntsay Christian, afak’omaly. Voarakitra ao anatin’io taratasy fangatahana nataony io ny fikasana hampiandraiketana an’ireo lefitry ny Ben’ny tanàna ny fitantanana ny kaominina mandra-pahatongan’ny fipetrahan’izay ho Ben’ny tanàna vaovao aorian’ny fifidianana hatao amin’ny 27 novambra ho avy izao. Tsy mbola nanome ny valin-teniny hatreto ny Hcc.

Naneho ny heviny manoloana ity fakan-kevitra nataon’ny Praiminisitra ity ny Ben’ny tanàna sasany omaly. “Rehefa tapitra ny fe-potoam-piasanay dia hiala izahay ka tsy tokony hisy olana mihitsy raha ny lefitra no handray ny fitantanana ny tanàna”, hoy, ohatra Randrianarisoa Penjy, Ben’ny tanànan’ny kaominina Ivato. Ho an’Andriamosa Avotriniaina Mary, Ben’ny tanànan’i Sabotsy Namehana indray dia “mbola miandry ny fampahafantaran’ny governemanta an’ireo lalàna mahakasika ny filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izahay, kanefa raha tapaka fa tokony hisolo toerana anay ny lefitra dia hotanterahina ny fifamindram-pahefana”.

Tsiahivina fa amin’ny 22 septambra ho avy izao no hifarana ny fe-potoam-piasan’ireo Ben’ny tanàna rehetra manerana ny Nosy.

Nicoh RICHMAN