Tranga samihafa

Vono olona Tovovavy hita faty nalevina tany anaty ala

Nalevina an-tsokosoko tany anaty ala, taorian’ny namonoana azy, ny tovovavy iray, dimy ambin’ny folo taona. Tamin’ny talata 16 jona lasa teo no nahitana ny razana tany amina fokontany iray any Soanenga, distrikan’i Besalampy. Tamin’ny fizahana nataon’ny mpitsabo no nahafantarana fa sady naolana sy nodarohana io tovovavy io ary mbola nodorana ny fatiny, nialoha ny nandevenana azy.

Efa misy ny olona ahiahiana tamin’ity vono olona tany Besalampy ity. Manao ny fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Fantatra, nandritra ny fihainoana ny fianakaviany, fa nalain’ny sakaizany tao antrano, tamin’ny talata 9 jona lasa teo, izy. Tsy niverina intsony izy, nanomboka teo. Ny vatana mangatsiakany sisa no hita tany anaty ala. Io sakaizany io no niantefan’ny ahiahy voalohany, ka karohin’ny mpitandro ny filaminana, amin’izao fotoana izao.