Raharaham-pirenena Tapatapany

Valy bontana.

Namaly bontana ny fanambaràna nataon’ny depiote Razafimanantsoa Hanitra avy amin’ny Tim izay nanebaka ny vondrona Mapar ho mpamadika ny tolona tetsy Analakely ny depiote Raholdina Naivo, omaly. Nambarany fa fanajàna ny didin’ny Hcc no antony nisintahan’izy ireo moramora tamin’ity hetsika ity. Notsipihiny ihany koa fa ny firosoana any amin’ny fifidianana amin’izay no tokony himasoan’ny rehetra.