Bao tsy mivily Raharaham-pirenena

Hitety andro

Mahazo toerana ve ka hahafoy vetivety ny seza? Tsy ny fomba nahazatra teto Madagasikara no eritreretina fa hiova, raha izay fanaovana politika tsy tontan’ny ela sady namotehana ny firenena izay. Asa na ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana no maika tsy faingana sady te hanipy baolina, fa sarotra ny fihazakazahana mankany amin’ny fanatanterahana an’izany fifidianana madio sy ny sisa sy ny sisa izany. Firenena nalatsaka ao anatin’izao hantsan’ny savorovoro sy korontana izao indray ve dia ho azo antoka fa hahavita fahagagana amin’ny fikarakarana fifidianana tsy misy kianina, raha tsy dia efa hoe hiova fo avokoa ireo mpanao politika eto amintsika. Tsy maintsy hankafy ny sakafony sy hitady an’izay fomba hanalavam-potoana ireo ekipa safiotra ao anatin’io governemanta io. Tsy mitovy fihevitra ireo. Tsy mitovy fijery. Tsianjery maimbo fotsiny ny famerimberenana ny amin’ny hoe ny fifidianana filoham-pirenena ihany no vahaolana amin’ny krizy. Voaporofo amin’ny fahasahiranana amin’ny famaritana daty sahady aza ny toe-draharaha. Tsy misy tetiandro vetivety azo antenaina izany eo. Miova daholo ny zava-drehetra rehefa avy any amin’ny fanoherana no tonga tampoka ao anatin’ny fiarahana mitantana ny fanjakana, na io fomba firesaka, ny fomba fiteny, ary ny lôjikan’ny mpanao politika.