Raharaham-pirenena

FAMETRAHANA FITONIANA Nobaikoin’ny Filoha handray fepetra ny governemanta

Nanome baiko sy toromarika. Nisongadina nandritra ny Filankevitry ny minisitra natao teny Iavoloha, ny alarobia alina teo, ny fibaikoan’ny Filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery an’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta ny amin’ny tokony handraisan’ izy ireo andraikitra hamahana ireo savorovoro manohintohina ny raharaham- pirenena eto amintsika ankehitriny. Nosinganiny manokana ao anatin’ izany, ohatra, ny momba ireo fitakiana sendikaly samihafa miteraka ny fampikatsoana ny raharaham- panjakana. Eo ihany koa ny momba ny fiahiana ny sosialim-bahoaka, ka isan’ ny nomarihin’ny Filoha manokana tamin’izany ny fandraisana fepetra hentitra manoloana ny firongatry ny fakàna an-keriny sy vono olona maromaro nitranga tato ho ato. Teo ihany koa ny fanomezan-dRajaonarimampianina Hery baiko ireo minisitra eo anivon’ny governemantan’ny marimaritra iraisana hanohy ny asa niandraiketan’ireo minisitra teo aloha.