Tranga samihafa

Fitsoahana fepetra Sarona ireo lehilahy sy vehivavy am-polony nitaingina môtô

Tsy afa-bela tamin’ny zandary ireo olona miisa fito ambin’ny folo nanao taingin-telo tamin’ny môtô, tany Andramasina, afak’omaly.  Avy any Ambatolampy nikasa hiakatra aty an-drenivohitra an-tsokosoko izy ireo. Any amin’ny lalana mandalo tanimbary sy tampon-tanety no nalehan’ireto mpandeha môtô.

« Tsy manaraka arabe intsony ireo olona fa mitady lalan-kafa hisorohana ny sakana ara-pahasalamana. Nojerena ifotony ny zava-nisy rehefa nahazo angom-baovao izahay. Môtô enina no notaingenan’izy ireo, izay nahitana zaza amam-behivavy ankoatra ny lehilahy. Nahiboka ireo môtô ary voasazy hanao asa ho an’ny tombontsoan’ny daholobe kosa ireo olona », araka ny fanazavana azo avy amin’ny zandarimaria, any Andramasina.