Tranga samihafa

Fitaka sy hala-bola Sarona ireo mpisoloky ao amin’ny tambajotra « Facebook »

Voasambotry ny zandary, tetsy Tsaramasay, tamin’ity fiandohan’ny herinandro ity, ny lehilahy telo mpisoloky amin’ny alalan’ny fampiasana ny tambajotran-tserasera “Facebook”. Nilaza izy ireo fa manana orinasa mpaninjara angovo azo havaozina ka maro ny olona voafitaka sy voasoloky ary efa nahazoany vola be.

Mitonona ho manana orinasa antsoina hoe “Echossolare”  mikirakira angovo azo havaozina ireto mpisoloky. Mihaona mivantana amin’ny olona mikasa hanjifa izy ireo, aorian’ny fifampiresahana ao amin’ny “Facebook”. Amin’io fotoana io no itakiany ny antsasa-bola amin’ny asa hatao.

Tonga manatanteraka ny asa izy ireo saingy mitondra entana hafa tsy araka ny tokony ho izy sady manao asa tsy zarizary mba hahafahana manery ankolaka ny mpanjifa handoa vola ankoatra ny efa nifanarahana. Maro ihany koa ireo efa nandoa vola saingy tsy nahazo entana.

“Olona maro mipetraka amina toerana samihafa, toy ny tany Mangamila, Itaosy, Ivato, Ambondromamy sy Antanifotsy ary Ambohimanga Rova no efa lasibatra tamin’io fisolokiana io. Nanao ny fikarohana ny zandary eny Ambohimanga Rova, rehefa nahazo fitarainana ”, araka ny voalazan’ny tatitra avy amin’ny zandary.

Manodidina ny folo tapitrisa ariary ny vola voasoratra ao amin’ny taratasim-bola sandoka tratra teny amin’ireto voarohirohy. Tsy maintsy hatolotra ny Fitsarana ireto voasambotra, aorian’ny fanadihadiana rehetra.

“Efa miha mahazo vahana eto amitsika ny trangana fisolokiana amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera “Facebook”, toy ity sarona ity, ka entanina mba ho mailo ny rehetra amin’ny fampiasana azy ireny. Maro sy mitombo andro aman’alina ny fisolokiana amin’io sehatra io”, hoy ny fanentanana avy amin’ny zandary.