Pejy manokana Samihafa

Tandavan-tendrombohitr’Andrianjaka Sakana amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany eny Mahitsy ny lalana

Any avaratra atsinanan’ny tanànan’i Mahitsy no misy ny tandavan-tendrombohitr’Andrianjaka, itoeran’ny vatobe fanasinana mandraka ankehitriny. Manan-tantara tamin’ny vanim-potoana faha Mpanjaka io toerana io. Tafiditra ao anatin’ny fameloma-maso ny tantaran’Antananarivo ny dia an-tongotra arahina fampahafantarana an’ireo vohitra samihafa, izay ataon’ny ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga.

Dia an-tongotra mandritra ny adiny telo sy dimy ambin’ny folo minitra, mirefy 16 km, raha miala ny tanànan’i Mahitsy no misy ny tandavan-tendrombohitry ny mpanjaka Andrianjaka. Mbola ao ny toeram-panasinana ahafantaran’ny mpahay azy. Tsy tongan’ny fiarakodia eny amin’ny vatoben’Andrianjaka noho ny faharatsian’ny lalana. Tazana eny avokoa ireo tendrombohitra roa
ambin’ny folo mampahalaza ny fanjakan’ Imerina, fahiny. Noho ny halaviran’ny lalana no mahavitsy mpitsidika ny
vatoben’Andrianjaka, araka ny filazan’ireo mpisera dia ao amin’ny ofisim-paritry ny Fizahantany eto Analamanga (Ortana).

Mitety tampon-tanety sy lohasaha ary miakatra tendrombohitra maromaro vao tonga any amin’ny tandavan-tendrombohitr’Andrianjaka. Olona tomady sy salama tsara no afaka hitsidika eny an-toerana.

Fanitarana fanjakana

Fahiny, isaky ny vohitra iray no saika nahitana mpanjaka avokoa. Samy te hanitatra ny fanjakany ny mpanjaka iray ka manafika amin’ireo vohitra nanodidina azy. “Mangata-pitahiana eo amin’io vatobe io ny mpanjaka Andrianjaka alohan’ny hanafihany ny tanàna hafa. Manatitra vatomamy na tantely izy rehefa nahita fahombiazana tamin’ny fanafihana”, hoy i Lalaina, mpisera dian’ny Ortana.

Nafenina teo atsimon’ny fasana misy ny mpanjaka Rabiby mivady sy Andriandambotanimanjaka, rehefa niamboho Ralambo. Ny zanany Andriantompokoindrindra, avy eo, Andrianjaka (1615 – 1630) no notendrena handimby azy.

Maro ireo taranaky ny mpanjaka Ralambo teny Ambohidrabiby rehefa mpanjaka nanjaka taty Imerina, nanomboka tamin’Andrianjaka ka hatramin-dRanavalona III. Tsy maintsy avy amin’Andriantompokoindrindra sy Andrianjaka no ipoiran’ny mpanjaka lahy nahazo nanjaka teto Imerina.

Fikarakarana manokana

Tafiditra ao anatin’ny toeram-pitsangatsangana afaka misarika mpizaha tany maro ny tandavan-tendrombohitry ny mpanjaka
Andrianjaka, saingy somary manahirana ny lafiny fifamoivoizana. Manampy trotraka ny fiakaran’ny hafanana noho ny tsy fisian’ny ala amin’ireo toerana midadasika lalovana mialoha ny hahatongavana eny. Manginy fotsiny ny doro tanety amin’iny faritra
andrefana iny. Miezaka ihany ny mponina mamboly vary sy anana amin’ny faritra iva, nefa ampahan-tany kely no azo amboleny raha mitaha amin’ny fidadasiky ny tany.

Tokony hisy ny fanamboarana ny lalana hizoran’ireo mpitsidika, indrindra ny fiakarana na ny fidinana amin’ny tehezan-tendrombohitra. Nisy tamin’ireo mpitsidika mihitsy no voatery mandady rehefa tonga eo amin’ireo toerana manano sarotra.