Tapatapany Tranga samihafa

Savorovoro tany Sainte-Marie

Nitangoronan’ny andian’ olona marobe ny biraon’ny Kaomisarian’ny polisy any Sainte-Marie, omaly. Fantatra fa voasambotra sy voatazona ao ny lehilahy iray voatondro ho namono vehivavy iray. Niezaka nandamina sady nanazava tamin’ny fokono­lona ny mpitandro filaminana fa tsy ao io lehilahy tadia­vin’izy ireo io.