Kolontsaina

Fodiamandrina mpanakanto Efa saika hivoaka ny hôpitaly no namoy ny ainy i Fafah

Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-65 taonany, rehefa notsaboina tetsy amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona, Ampefiloha, Rajaonarison Famantanantsoa antsoina hoe Fafah, ao amin’ny tarika mahaleo. Raha ny vaovao nampitain’I bekoto, mpitondra tenin’ny tarika Mahaleo, dia fijanonan’ny fo tampoka no nahalavo ity andrarezin’ny kanto malagasy ity. Sina sy kepoka tanteraka ny tontolon’ny zavakanto malagasy amin’izao fahalasanan’I Fafah izao.

“Tena tsy nampoizina ilay izy satria efa nihatsara ny toe-pahasalamany. Efa miramirana sady natanjaka i Fafah. Rehefa niara-nisakafo antoandro anefa ny rehetra dia nitambotsitra tampoka izy ka namoy ny aina.

Tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro no niseho izay tranga mampalahelo izay. Raha ny fantatra anefa dia teo am-panomanana ny fivoahany ny hôpitaly izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao”, hoy i Bekoto mitantara
tamina feo malefaka feno alahelo.

Raha ny fandaharam-potoana napetraky ny fianakaviana sy ny tarika Mahaleo dia eny amin’ny trano fonenany, eny Andohalo, no andrasana ny nofo mangatsiakan’i Fafah. Hoentina etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina Mahamasina ny tranovorona, amin’ny alarobia 23 oktobra 2019. “Hanomboka maraina ny fanaovam-beloma, etsy Mahamasina ary hifarana amin’ny mitatao­vovona. Hisy mpanakanto maro hifandimby hiaka-tsehatra mandritra izany. Hoentina halevina eny amin’ny fasan-drazany eny Langaina Ilafy ny razana aorian’izay”, araka ny nambaran’i Bekoto hatrany.

Feo tsy manan-tsahala

Teraka tamin’ny 13 mey 1954 i Fafah. Namela ny vadiny hananotena sy kamboty efatra mianadahy ity feo tena malagasy tsy manan-tsahala ao amin’ny tarika Mahaleo ity. Zanaka mpanoratra i Fafah. Niaina tao anatin’ny zavakanto tanteraka ny lehilahy.
Maro ireo mpanakanto kalaza tamin’ny taona 60 sy 70 nankafiziny, toa an-dry Rakoto Frah sy John Denver. Nitendry gitara ihany izy fa tsy nikalo fotsiny, araka ny nahalalan’ny maro azy. Tsy ny tarika Mahaleo ihany fa nahafantarana an’ity talenta miavaka ity ihany koa fiarahana tamin’ny tarika Feo Gasy sy ny Vavaka Hira Fiderana (VHF). Tsy vitsy koa anefa ireo mpanakanto nampiara-peo taminy teo amin’ny tontolon’ny mozika. Ankoatra ny fihirana dia mpikatroka mavitrika tamina fanatanjahantena samihafa izy. Anisan’ny nanavanana azy ny fanaovana ny haiady “Aikido” sy ny taranja lomano.

Goavana ny fahabangana navelan’i Fafah ao amin’ny tarika Mahaleo noho izao fahalasanany izao. Anisan’ny fototra ao amin’ny tarika anefa ity mpanakanto ity noho izy misongadina amin’ny fananana feomanga sady miavaka.

Anisan’ny ankafizan’ny maro an’i Fafah ny vazivazy sy ny fihetsika miteraka tsiky fanaony rehefa miaka-tsehatra. Indrisy anefa fa namonjy an’i Raoul (3 septambra 2010) sy Nônô (29 aogositra 2014), izay nialoha lalana azy amin’ny miankandrefam-baravarana i Fafah, araka ny nambaran’ireo mpiara-mihira aminy. Nihena iray indray, araka izany, ny talenta mandrafitra ity tarika anisan’ny be mpankafy ity. Honjohonjon’i Dama, Charles, Dadah ary Bekoto irery sisa ny famelomana ny tarika Mahaleo ankehi­triny.
Izahay eto amin’ny gazetyAo Raha dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’i Fafah sy ny tarika Mahaleo ary ny tontolon’ny kanto Malagasy nilaozany.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra