Kolontsaina

Mozika maneran-tany Hifaninana amin’ny « Afrimma » indray i Shyn

Manana solontena amin’ilay fifaninanana maneran-tany momba ny mozika ankehitriny antsoina hoe « African Muzik Magazine Awards and Music Festival » na Afrimma 2020, amin’ny alalan’i Shyn indray, i Madagasikara. Hatao ny Dallas (Etazonia), amin’ny 15 novambra 2020, ny fanolorana  ny amboara amin’io hetsika io, aorian’ny fifidianana hatao ao amin’ny pejy Facebook « Afrimma ».

Nivoaka, tamin’ny 11 septambra lasa teo, ny lisitr’ireo mpanakanto voafantina ka nahatafiditra an’i Shyn tao anatin’ny sokajy « Best Male Southern Africa » na ireo mpanakanto lehilahy mendrika avy aty atsimon’i Afrika. Eo amin’ilay fanambaràna  ao amin’ny pejy Facebook an’ny Afrimma, izay misy an’io sokajy io no hametrahana ny safidy amin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra.