Raharaham-pirenena

Fifidianana loholona Voafantina ireo kandidà avy amin’ny antoko TGV

Kandidà amin’ny fifidianana loholona avy amin’ny antoko Tanora malaGasy Vonona (TGV), naorin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, no nofantenana tetsy amin’ny Arena Ivandry, efa ho andro vitsivitsy izao. Fantatra fa izy ireo no handrafitra ny lisitra hisalotra ny loko volomboasary amin’io latsa-bato hatao, amin’ny 11 desambra 2020 io, araka ny antso an-tariby nifanaovana tamin’ny depiote Rakotomanga Lanto, mpikambana eo anivon’ny birao politikan’ny antoko TGV, omaly.

Voalaza fa ny Filoham-pirenena kosa no hanome fankatoavana farany momba an’izany lisitra izany. « Izay no tapaka sy nifanarahan’ireo mpikambana ao anatin’ny Vovonana miara-dia amin’ny Filoha Andry Rajoelina (MAPAR), hoy izy, ary efa vita tanteraka ny lisitr’ireo kandidà roa ambin’ny folo amin’ireo faritany enina manerana an’i Madagasikara, miampy kandidà loholona mpanampy telo isaky ny faritany ». Namaly ny mason-tsivana notakian’ny antoko ireo kandidà ireo, araka ny fanampim-panazavana.