Tapatapany

Famotorana depiote teo aloha

Hatolotra ny Fitsarana, any Morondava, Raveloson Ludovic na i Leva, depioten’i Madagasikara teo aloha voafidy tany Mahabo, taorian’ny fisamborana azy tetsy Analakely, tamin’ny herinandro lasa iny. Nigadona tany Morondava, tamin’ny zoma maraina, izy ary voatazona ao amin’ny tobin’ny Zandarimaria any an-toerana. Fantatra fa mbola afaka nanao fitarainana tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray izy, afak’omaly, izay mety ho nomaniny mialoha ny nahatrarana azy. Iantefan’ny fiampangana hafa ankoatra ny efa nanamelohan’ny Fitsarana azy higadra an-tranomaizina, sazy mihatra, ity olom-boafidy teo aloha ity.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra