Sosialy

Famokarana fanafody Hisokatra, amin’ity herinandro ity, ny Pharmalagasy

Amin’ity herinandro ity no fantatra fa hisokafan’ilay orinasa mpamokatra fanafody Pharmalagasy, raha tsy misy ny fiovana amin’ ny fotoana farany. Natsidiky ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tany Sambava, tamin’ny alakamisy teo io fisokafan’ny orinasa Pharmalagasy io. Fanafody voalohany hovokarin’ity orinasa ity ny CVO+, fanefitry ny valanaretina Covid-19. Efa ampiasaina amin’ ireo marary any Sambava ny CVO+, amin’izao fotoana izao.

«Hisy fanafody hafa maromaro vita Malagasy koa anefa hovokarin’ny orinasa. Tanjona ny fampiroboroboana ny fambolena zava-maniry fanamboarana fanafody eto amintsika. Hiteraka asa ho an’ireo tantsaha izany», hoy ny filohan’ny fandaharanasa «Emergence Madagascar», eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, Raboanarijaona Holijaona, tamin’ny antso an-tariby, afak’omaly. Mpiasa an-jatony no manodina ny Pharmalagasy, eny Tanjombato, ankehitriny.