Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-62 taonany, tamin’ ny sabotsy teo, Ratsifandrihamanana Nirina, mpanamory fiarakodia zokiny indrindra tamin’ny fifaninanam-pirenena 2019.
Mpankafy fiarakodia marika Peugeot izy. Nanombohany niatrika hazakaza-piarakodia ny fitondrany P104 ZS nandritra ny « course de côte 1992 » teny Ankatso. « Baomba kely » no fiantsoany an’io fiara noentiny nifaninana voalohany io. Raikitra ho anarambositr’i Nirina Ratsifa mihitsy izany anarana fiarakodia napetrany izany, nony taty aoriana. Saika nandrombaka anaram-boninahitra hatrany teo amin’ny sokajy nisy azy i « Baomba kely », hatramin’ny taona 1994. Ny klioba Firaisana Malagasy Mpanao Spaoro Automobile sy Moto (FMMSAM) no klioba nisy an’i Nirina Ratsifa, fony fahavelony.
Hanome hevitra